Logo

WeBible

1 Kings 4

4 / 22
1

Ary nanjaka tamin’ ny Isiraely rehetra Solomona mpanjaka.

2

Ary izao no lehibe tao aminy: Azaria, zanak’ i Zadoka, no mpisorona;

3

Elihorefa sy Ahia, zanak’ i Sisa, no mpanoratra; Josafata zanak’ i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaha-mpanjakana;

4

ary Benaia, zanak’ i Joiada, no komandin’ ny miaramila; ary Zadoka sy Abiatara no mpisorona;

5

ary Azaria, zanak’ i Natana, no lehiben’ ny olona voatendry; ary Zaboda, zanak’ i Natana, no mpanolotsaina, sakaizan’ ny mpanjaka,

6

ary Ahisara no lehiben’ ny tao an-dapa; ary Adonirama, zanak’ i Abda, no komandin’ ny mpanao fanompoana.

7

Ary Solomona nanendry roa ambin’ ny folo lahy ho amin’ ny Isiraely rehetra hiadidy ny zavatra rehetra nilain’ ny mpanjaka sy ny ankohonany; samy niadidy ny iray volana avy amin’ ny herintaona izy.

8

Ary izao no anarany: Beni-hora tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima;

9

Beni-dakera tao Makaza sy tao Salbima sy Beti-semesy ary Elon-beti-hanana;

10

Beni-haseda tao Arobota; Soko sy ny tany Hefera rehetra no azy;

11

Ben’ abinadaba tao amin’ ny havoan’ i Dora rehetra (Tafata, zanakavavin’ i Solomona, no vadiny);

12

Bana, zanak’ i Ahiloda; azy Tanaka sy Megido ary Beti-sana rehetra, izay anilan’ i Zaretana, ambanin’ i Jezirela, hatrany Beti-sana ka hatrany Abela-mehola, dia hatrany ankoatr’ i Jokneama no azy.

13

Beni-gabera tao Ramota-gileada; ny tanàna madinika an’ i Jaïra, zanak’ i Manase, izay any Gileada, no azy; azy koa ny tany Argoba, izay any Basana, dia tanana enim-polo lehibe nisy manda sy hidy varahina;

14

Ahinadaba, zanak’ Ido, tany Mahanaima;

15

Ahimaza tany Naftaly; izy kosa nanambady an’ i Basemata, zanakavavin’ i Solomona;

16

Bana, zanak’ i Hosay, tany Asera sy Alota;

17

Josafata, zanak’ i Paroa, tany Isakara;

18

Simey, zanak’ i Ela, tany Benjamina;

19

Gabera, zanak’ i Ory, tany amin’ ny tany Gileada, tanin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, sy Oga, mpanjakan’ i Basana; ary izy ihany no voatendry ho amin’ izany tany izany.

20

Ary ny Joda sy ny Isiraely dia maro, tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, sady mihinana sy misotro ary mifaly.

1 Kings 4